Mba ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka, indrindra fa ireo voasokajy ho marefo dia mikarakara fifaninanana manadio tanŕna ho an’ny isam-pokontany ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Voakasik’izany avokoa ny fokontany 192 manerana ireo
Boriborintany enina, hetsika fanentanana izay notohizana tetsy Anosibe omaly. Nosafidiana manokana ity faritra ity noho ny fahitana ny fako mivangongo ao an-toerana miampy ny rano maloto sy ny diky miparitaka etsy sy eroa, indrindra fa ho an’ireo trano manana trano fivoahana. Omena andro maromaro ny fokontany tsirairay avy hanadiovany ny faritra misy azy ka hisy ny fanaraha-maso hataon’ny kaominina aorian’izany. Omena loka izay fokontany mendrika indrindra, hetsika hotohizana natao hanabeazana ny mponina sy hitaizana azy ireo ho tia fahadiovana. Teny Ambanidia moa no nisantarana ny fanentanana ny fiandohan’ny herinandro teo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.