Namoaka fanambarana ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra na ny CUA omaly momba ny fisian’ny lehilahy iray antsoina hoe Randrianarisoa Eugène nisoloky ho mpiasan’ny kaominina.
Nampahafatatra ny rehetra ny CUA fa Andriamatoa Randrianarisoa Eugène « Stratège-man », izay milaza fa tale jeneralin’ny CUA dia tsy mpiasa sady tsy niasa tao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, tsy misy rahateo ny toeran’ny tale jeneraly ao anivon’ny kaominina. Nilaza ny CUA fa tsy tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataon’io olona io. Mazava izao fa tafiditry ny asa fisolokiana sy fandotoana ny eo anivon’ny CUA, ka ilaina hatrany ny mailo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.