Actualités

Kaominina Antananarivo Renivohitra Iharan’ny fandotoana avo lenta


  • Zoma 13 Aprily 2018

Misy andian’olona mitonona ho mpiasan’ny Kaominina an-dRenivohitr’Antananarivo mandrahona sy mampitahotra ireo mpivarotra ary maka vola amin’izy ireo ankehitriny.

Rehefa alakamisy dia ny eny amin’ny manodidina an’i Mahamasina, Anosy, Sainte Famille ary ny zoma kosa dia ireo mpivarotra manodidina an’ Analakely sy Ambohijatovo no lasibatra. Nanao fanambarana ny CUA omaly, indrindra manoloana ny fisandohana ny anarany, fa tsy misy ny fakàna vola ankoatry ny haban-tsena mahazatra, izay misy “ticket” omena ny mpivarotra, tsy maintsy manana taratasy manokana na “ Ordre de mission” sy mitondra “Badge” avy amin’ny sampan-draharaha iasany ny mpiasa tsirairay avy eo am-panatanterahina ny iraka. Manentana ny mpivarotra handray an-tsoratra ny anarany sy ny laharan’ny “badge” fa zon’izy ireo izany.  Tokana ihany ny fandoavam-bola dia eny amin’ny « Guichet Unique »-n’ny Kaominina. Angatahina sy entanina ireo rehetra ianjadian’ireo asa fampitahorana amin’ny fakàna vola tsy ara-dalàna eny an-tsena ireo mba tsy hisalasala, ka hanantona avy hatrany ny tompon’andraikitra eny Analakely (varavarana 36). Mampitandrina ireo mpanao ratsy ny CUA, ary handray fepetra hentitra. Fisolokiana tsotra ve no misy sa kosa efa politika maloto hoenti-mandoto sy mamingana ny ben’ny tanàna? Atomotra rahateo ny fifidianana, ary mavaivay ny raharaha politika, ka tsy hay intsony izay ao ambadik’izao.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT