Actualités

Kaominina Antananarivo Renivohitra Hanomboka ny fanamboaran-dalana


  • Alatsinainy 07 Desambra 2015

Betsaka ireo lalana simba ka ilana fanamboarana maika ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’izao fotoam-pahavaratra izao.

 

Hanomboka ato ho ato izany, hoy ny tale teknika sy ny fikarakarana ny fotodrafitrasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tao anatin’ny telo herinandro mantsy izy ireo izay dia tsy nitsahatra ny nijery ifotony  ireo  lalana simba rehetra eto afovoan-tanàna  ka fantatra fa anisan’ny asa laharam-pahamehana tena maika hanombohana izany ny etsy Ambohimiandra. Efa mitriatra mantsy io lalana io izay mahatratra 25 m ny halavany, 15 metatra ny haavony miala amin’ilay rihim-bato misy azy ankehitriny. 37 tapitrisa Ar ny lelavola homanina amin’izany raha mahatratra 100 tapitrisa Ar  kosa ny vola rehetra ilaina amin’ny asa. Tafiditra ao anatin’io asa fanamboarana io avokoa  ireo lalana feno lavadavaka, izay marihina fa mihamitombo hatrany. Ho an’ny etsy Andravoahangy manokana, ohatra, dia tsy azo aleha intsony rehefa avy ny orana noho ny halehiben’ny lavaka eo afovoan’ny arabe. Ireo fiara lehibe sisa no afaka mandeha ary voatery mitady lalan-kafa ny fiara madinika. Toraka izany koa ny eny Ambohipo izay tena mampitaraina ny mpampiasa lalana tokoa, indrindra rehefa avy iny ny orana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT