Hanampy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) amin’ny fanisana ara-ketra momba ny trano sy tany eto Antananarivo Renivohitra ny fandaharanasa alemana PRODECID- GIZ na ny Projet de Développement Communal Inclusif et de Décentralisation.
Vita sonia omaly tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fifanaraham-piaraha-miasa momba izany, teo amin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana an-daniny sy ny talen’ny PRODECID-GIZ Florian Garcia an-kilany. Izao fifanaraham-piaraha-miasa izao dia tafiditra amin’ny tetikasa famatsiam-bola ny vondrombahoakam-paritra toy ny kaominina ataon’ny PRODECID-GIZ. Tanjona ny hampitomboana ny fampidiran-ketra eto amin’ny CUA amin’ny alalan’ny hetran-tany sy trano. Ankoatra ny fanampiana ara-bola ny vondrom-bahoakam-paritra toy ny CUA, dia hisy ny fanofanana ny mpiasan’ny CUA amin’izay resaka fanisana ny fampidiran-ketra amin’ny trano sy tany izay. Nisy ihany koa io omaly io ny fanolorana fitaovana informatika samihafa hoenti-miasa amin’izany fanisana ho fampitomboana ny fampidiran-ketra izany. Nanotrona ny ben’ny tanàna tamin’izao lanonana izao ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna, kolonely Ramboasalama Emilien, ny lefitra faharoa Julien Andriamorasata, ny talen’ny kabinetran’ny CUA Rabarijaona Jean Claude ary ny sekretera jeneralin’ny Kaominina Razafimahefa Heriniaina.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.