Actualités

Kaominina Antananarivo Asa izao fa tsy kabary


  • Alatsinainy 09 Novambra 2015

Miasa amin’izay eo an-tanana ary tsy misy andraso andraso. Noporofoin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo tamin’ny angaredona natao ny faran’ny herinandro teo.

 

 Ny hanalefahana ny fiantraikan’ny fiakaran’ny rano, izay miantraika amin’ny fiainan’ny mponina, no ilofosany taorian’ireo fidinana teny anivon’ny kartie samihafa nataon’ireo iraka samihafa nitsirika ireo asa maika hatao. Ny zoma teo izao dia nisy rodobe nifarimbonan’ny ekipan’ny SAMVA, ny mpamonjy voina, ireo mpiasa RF2 eny anivon’ny Fokontany ary ny ekipa mpamafa lalana nanala ny fako nanentsina ireo tatatra fivarinan’ny rano niainga teo amin’ny lalamby Anosibe nipaka hatreny amin’ny digy Anosizato Atsinanana. Izany dia narahina fanadiovana faobe ny teny  anivon’ireo Fokontany 31 ao amin’ny Boriborintany faha-6 Ambohimanarina, tafiditra ao anatin’ny filamatra hoe : «Rehefa tsy mandoto dia manadio», hoy Rakotomalala Yvon, avy ao amin’ny Fiadidiana ny tanàna. Novonjena maika ihany koa ny fanotofana ilay lavaka, efa zary dobo kely tao anaty lalana rehefa avy orana, nampitaraina ireo mpampiasa lalana teny Ambodimita. Vahaolana vonjimaika no natao, izay fiaraha-miasa tamin’ny tsy miankina, mba hahafahan’ireo fitaovam-pitaterana mifamoivoy sy hampihena ny fitohanan’ny fiara amin’iny faritra iny. Hitohy ny asa tahaka izao amin’ny fokontany sy ny boriborintany rehetra eto Antananarivo Renivohitra, tanterahana fa tsy sanatria natao resaka mba nandanian’andro sy nambaboana ny fon’ny mpifidy fotsiny ny fandaharanasa nambaran-dRamatoa Lalao Ravalomanana tamin’ny propagandy. Ilaina kosa anefa ny fiaraha-mientan’ny rehetra mba hanafaingana ny fanatanterahana ny asa eo izany ny kaominina ny fokonolona ary ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka, tsy adino ihany koa ny fanohanan’ny fitondrana foibe.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT