Nivoaka tamin’ny fahanginana Randrianaivoarison Jaona ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Ankiranomena any amin’ny faritra Bongolava manoloana ny fanaratsiana mahazo azy mandeha be eto an-drenivohitra.
Nambarany fa tena mandroso ny kaominina iadidiany fa tsy araka ny fanaratsiana entin’ireo andian’olona eto an-drenivohitra. Porofon’izany ny fahavitan’ny toho-drano iray lehibe any an-toerana izay manondraka velaran-tany maro, ny fahazoan’ny isan-tokantrano rano fisotro madio izay nambaran’ny sasany ombieny ombieny teo aloha teo fa tsy mandeha akory. Hatramin’ny mpanasa lamba no mahazo tombontsoa. Ankehitriny indray dia efa miomana amin’ny fananganana ireo fotodrafitrasa apetraka isam-pokontany ny kaominina entina hamaliana ny filan’ny mponina. Marihina moa fa any amin’ity kaominina ambanivohitra iray ity rahampitso alakamisy 14 desambra no hanaovana ny fanamarihana ny fidiran’ny mpianatra amim-pomba ofisialy ho an’ny Faritra Bongolava. Midika izany fa mandroso Ankiranomena ary vonona ny hanatsara hatrany ny fiainan’ireo mponina ao aminy, hoy izy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.