Actualités

Kaominina Ankiranomena Fenoarivobe Tsy hita izay fandrosoana, mitaraina ny mponina


  • Sabotsy 25 Novambra 2017

Efa ho telo taona izao tsy misy endri-pampandrosoana hita taratra mihitsy eo anivon’ny kaominina ambanivohitra Ankiranomena, distrikan’i Fenoarivobe.

 

Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ihany koa ny fidiram-bola eo anivon’ny kaominina, raha araka ny fitarainan’ireo solontenan’ny mponina izay tonga nitondra fitarainana teo anivon’ny minisiteran’ny Atitany omaly. Efa nisy, hoy Atoa Raherison Adele, solontenan’ny mponina ny resaka nifanaovana tamin’ny Ben’ny tanàna saingy zary lasa fifamaliana izay arahin’ny fanamparam-pahefana. Nisy moa ny fampisehoan’izy ireo ny taratasy  nanangonan’ny mponina sonia omaly, narahin’ny fampisehoana ireo déliberation nataon’ny mpanolotsaina kaominaly izay  nanambaran’ireto farany fa tsy misy ny fampandrosoana, tsy mety ny fiaraha-miasa ka tokony haato amin’ny asany ny Ben’ny tanàna. Miandry ny fanapahan-kevitra horaisin’ny fitondram-panjakana ireo mponina any amin’ity kaominina iray ity.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT