Mankalaza ny faha-40 taona nisiany ny kaominina Ankaraobato, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.
Fotoam-pivavahana lehibe nentina nisaorana sy niderana an’Andriamanitra no nanokafana izany ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny Ekar Ifarihy. Tanjon’ny Ben’ny tanàna Randrianarisoa Gilbert ny hampahafantarana ny kaominina tantanany amin’ny olon-drehetra ka hetsika marolafy no entina hanehoana izany. Anisan’ireny ny varotra fampirantiana sy kilalao maro samihafa ho an’ny ankizy mialoha ny fetin’ny 26 jona ho avy izao. Toraka izany koa ny rindrankira hotontosain’ireo tanora ao amin’ity kaominina ity izay hanomboka ny 22 ka hatramin’ny 25 jona ho avy izao. Hofaranana amin’ny fanaovana harendrina miaraka amin’ny ankizy mihodidina ny tanàna ny hetsika. Tsy latsa-danja amin’izay ny vinan’ny 40 taona ho avy toy ny asa fanamboaran-dalana izay efa tena mandeha be tokoa ankehitriny. Anisan’ireny ny lalankely mirefy 230 metatra ao amin’ny fokontany Ambodivoanjo, ny 170 metatra ao amin’ny fokontany Antanetisoa izay samy efa vita, arahin’ny fanamboarana lalankely 60 metatra ao amin’ny fokontany Antsahasoa. Toraka izay koa ny lalana ao amin’ny fokontany Ankadilalampotsy mirefy 450 metatra ka ny 50 %-n’ny asa no efa vita ankehitriny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.