Actualités

Kaominina Andoharanofotsy Hohatsaraina ny lafin’ny fampianarana


  • Alatsinainy 19 Febroary 2018

Hohatsaraina tanteraka ny lafin’ny fampianarana manerana ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana miisa 70 ao anatin’ny ZAP-n’Andoharanofotsy. Lohalaharana amin’izany ny fanamafisana orina ny pedagojia toy ny fitsipi-pifehezana,

ny fanentanana momba ny fahadiovana sy ny fidiovana ho an’ny mpianatra….Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Ranirison Hasina mantsy dia eny anivon’ny sekoly sy ny fiangonana no ahitana fako betsaka indrindra ao anatin’ny kaominina iadidiany ka tsy maintsy hanaovana fanentanana manokana. Ankoatra izay dia hohamafisina ihany koa ny fiofanana omena ireo mpampianatra. Nisy ny hafatra nampitain’ny Ben’ny tanana momba ny fitiavan-tanindrazana ho an’ireo mpianatra nandritra izany, narahin’ny fizarana kapila mangirana misy ny hiram-pirenena sy ny sainam-pirenena ho an’ny sekoly tsirairay avy. Nahatratra 700 teo ho eo ireo tompon’andraikitry ny sekoly sy ny mpampianatra nandray anjara tamin’izany izay tena nahafaly ny Ben’ny tanana  Ranirison Hasina tokoa.

 

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT