Toy ireo kaominina sasany ao anatin’ny distrikan’Antananarivo dia efa misy traboina ihany koa amin’izao fotoana izao ao anatin’ny kaominina Andoharanofotsy.
Miisa 21 mianaka izy ireo, monina ao amin’ny Fokontany Andoharanofotsy sy Ambohimanala vokatry ny fianjeran’ny trano nipetrahany izay nomarihin’ny Ben’ny tanana Ranirison Hasina fa efa antitra ihany. Voatery napetraka ao amin’ny EPP any an-toerana izy 21 mianaka ireto araka izany. Ankoatra izay dia foto-drafitrasa maro ihany koa no ahiana ho potika tanteraka raha tsy voajery haingana ao Andoharanofotsy. Anisan’izany ny digy iray izay miaro ireo rano avy any Iavoloha sy ny manodidina tsy hibosesika hiditra ao anatin’ny kaominina. Raha sanatria ka ity fefiloha iray ity no vaky dia fianakaviana miisa 500 no ahiana ho lasibatry ny tondra-drano, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana hatrany. Efa nisy moa ny taratasy nalefan’ny kaominina any amin’ny BNGRC sy ny APIPA, raha araka ny fanadihadiana natao mikasika ny tokony hijerena haingana ity digy iray ao an-toerana ity. Mikasika ny RIP miazo ny tananan’i Bevalala ihany koa dia fantatra fa milentika ity lalana ity.Toraka izany koa ny lalana rarivato miazo an’i Mahabo vokatry ny fanaovan’ireo kamiao lehibe mihoatra ny 5 taonina tery vay manta amin’ny fampiasana ny lalana. Na eo aza anefa izany rehetra izany dia tsy nahitana olana kosa ireo rano miandrona eny amin’ny arabe izay efa nanaovan’ny kaominina Andoharanofotsy asa manokana tato anatin’ny roa taona izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.