Actualités

Kaominina Ampasikely Nahatsangana efitrano fianarana niaraka tamin’ny Telma


  • Alatsinainy 05 Martsa 2018

Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny Fondation Telma sy ny fikambanana Vonjy Havana no nahafahana nanangana efitrano efatra ho an’ny Epp sy Ceg ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasikely.

 Mijaly amin’ny fahazoana fanampiana avy amin’ny fanjakana foibe ny fiadidiana ny tanàna Ampasikely, hoy ny ben’ny tanàna ny dokotera Jean Louis Robinson. Midika izany, hoy izy, fa voatery mitady mpiara-miombona antoka ny kaominina Ampasikely mba hahafahana mampandeha ny asa fampandrosoana. Omena lanja ny vahoaka, hoy izy, ka miezaka ny mpitantana ny kaominina hanao ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra amin’ny alalan’ny fanaovana ireo fotodrafitrasa ilaina ny vahoaka. Mitentina 800 tapitrisa ariary ny fanampiana nomen’ny Fondation Telma nanangana efitrano roa ho an’ny Epp ary roa hafa ho an’ny CEG. Nitondra ny anjara birikiny ihany koa ny fikambanana Vonjy Havana izay tarihan-dRamatoa Marcel Robinson izay nanome 200 tapitrisa ariary enti-manana tamin’ny fanorenana ny efitranon-tsekoly. Ankoatra izay dia nanolotra omby roa sy vary milanja 5 taonina ny orinasa Telma ho mariky ny fiaraha-mifaly amin’ny mponina ao Ampasikely. Tonga nanome voninahitra ny fitokanana ireo fotodrafitrasa ireo ny tale jeneralin’ny orinasa Telma Patrick Pisal sy ny tale mpanatanteraka ny Fondation TELMA Rtoa Isabelle Salabert.


                                                                   Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT