Actualités

Kaominina ambonivohitra Mahajanga Haloa amin’ny alalan’ny finday ny hetran’ireo mpivarotra


  • Alarobia 27 Mey 2015

Paikady vaovao ny fandoavana ny hetran’ireo mpivarotra eo anivon’ny kaominina ambonivohitra Mahajanga izay amin’ny alalan’ny finday no handoavana azy.

 

 

 Hanomboka ny volana jolay izao ny fampiasana ny fandoavana hetra amin’ny finday ka ny tambajotra Telma sy Orange no ahafahan’ireo mpivarotra mandoa ny hetrany. Hizarana “puce” avokoa ireo mpivarotra manerana ny tanànan’i Mahajanga mba tsy hanahirana azy ireo ny fandoavana ny hetrany. Tanjon’ny kaominina ny hanatsara ny fitantanana sy fanangonana ny hetra eny amin’ireo mpivavotra satria dia mampirongatra ny kolikoly ny fandraisan’ireo mpiasan’ny kaominina mpitaky hetra ny vola ary matetika aza tsy tafiditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina. Ny faritra Boeny ihany no mbola hanatanterahana ity paikady vaovao ity. Ny alarobia teo no vita ny fifanaovan-tsonia ny  fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny Telma ary Orange Madagascar.

 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT