Anisan’ireo Kaominina ambonivohitra natsangana tamin’ny andron’ny tetezamita ny kaominina Betafo.
Ny zava-misy any an-toerana anefa dia mbola ezaka be ny hametrahana azy amin’io toerana io. Eo aloha ny lafiny fotodrafitrasa maro amin’ny maha kaominina ambonivohitra azy, toy ny rano fisotro madio, izay zara raha misy eo amin’ny renivohitry ny kaominina, eo koa ny fahapotehan’ny lalana eran’ny elakela-trano. Eo ihany koa ny fandaminana ny tsena izay tsy mbola ahitam-bahaolana ihany hatramin’izao. Ny loto tsy loto intsony eran’ny tsenan’i Betafo ary masiso ny ao an-tsena noho ny tsy fisian’ny toeram-pivoahana iraisana ara-dalàna. Eo ihany moa ilay eo atsinanan-tsena saingy miparitaka manodidina ireo mpivarotra ny loto avy ao anatiny sy ny fofona. Etsy an-daniny, mitobaka eo akaiky eo ihany ny fako miavosa izay tsy araky ny mpiasan’ny kaominina ny fanesorana azy satria dia sarety iray monja no hanesoran’ireo mpiasan’ny kaominina fako, kanefa dia an-taoniny maro izany aorian’ny tsena. Mbola ezaka ihany koa ny lafiny fitaovana ho an’ny sampandraharahan’ny “Voirie” ao Betafo. Asa indray moa izay ho fampanantenana ataon’ny kandidà ho Ben’ny tanàna any an-toerana momba ireo rehetra ireo. Ankoatra izay dia manjaka ny delestazy any an-toerana ary efa ho tapa-bolana no tsy nadeha ny fahitalavi-pirenena any an-toerana.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.