Aleo esorina amin'ny toerany rehefa tsy mahita vahaolana, soloina olona nianatra ny fitantanana ny kaominina mba hirosoana bebe kokoa amin'ny asa fampandrosoana.
Anisan'ny fanehoan-kevitra miverimberina nataon'ireo mpanao politika maromaro ao Tolagnaro io, izay nifanandrify indrindra amin’ny fampandehanan-draharaha mikatso ao Tolagnaro renivohitra. Tsy ny tsy fandoavana ny karaman'ireo mpiasa ihany no anton'ny fitakiana fa eo koa ny tsy fijerena ireo fotodrafitrasa. Efa nisafidy ho amin'ny fanatsarana ny mpitondra ary izay olona vonona amin'izany no omena andraikitra toy ny fanotofana ilay lavaka be ao Ampotatra. Jeren'ny ao amin'ny kaominina toy ny tany nahalavoana fotsiny anefa izany. Ny tsy fampiasana ny tsena O.P.C.I ao Ampamakiambato, ny fanorenana trano amin'ny baranahiny, ny firoboroboan'ny kolikoly ataon'ireo polisy monosipaly dia lesoka avokoa any an-toerana. Tsy mipetraka amin'ny toerana tokony hisy azy ny tanànan'i Tolagnaro ankehitriny. Ny mahatsikaiky, na ny drafitra ho an'ny tanàn-dehibe aza nasitrika any anaty tiroara. Izany fihemoran'ny renivohitra Anosy izany no mahatonga ireo mpanao politika haneho hevitra manoloana ny mety ho fahasimban'ny tanàna.
Ralandy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.