Actualités

Kaominina Ambohimangakely Filamatra amin’ny vary mora


  • Alatsinainy 15 Janoary 2018

Anisan’ireo mpaka vary etsy amin’ireo mpamomangady etsy Anosibe ireo mpivarotra eny amin’ny kaominina Ambohimangakely.

 Hatreto dia ny eny amin’ity kaominina ity no noraisina ho filamatra amin’ny fivarotana vary amin’ny vidiny mirary sy mora, raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana izay nanatontosa fanaraha-maso ny vidin’entana teny an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Manodidina ny 1580 ka hatramin’ny 1800 ariary no hamarotan’izy ireo ny kilaon’ireo vary nohafarana avy any am-pitandranomasina, raha ny hita teny an-toerana. Manentana hatrany moa ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny varotra mba tsy halaim-panahy hanararaotra hampiakatra ny vidin’entana ireo mpivarotra manerana ny nosy na dia teo aza ireo fasahiranana naterak’ireo loza voajanahary. Tsy mahafatiantoka, raha ny fanazavana, ny vidim-bary nofaritan’ny fanjakana izay tokony hampiharin’ireo mpaninjara.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT