Actualités

Kaominina Ambohimalaza Mitrandraka tsy miato ny Sinoa


  • Alarobia 04 Aprily 2018

Efa an-taonany izao no mitrandraka vato tsy miato ao anatin’ny kaominina Ambohimalaza ireo teratany sinoa maromaro. Tany ana ha maro no efa potika tanteraka ankehitriny,

 raha ny fanadihadiana natao. Hatreto anefa dia tsy mbola nisy notanterahin’ireo  sinoa ireo akory ny fampanantenana nataony, anjara biriky entiny hanasoavana ny mponin’Ambohimalaza. Anisany, hoy Atoa  Mbola, ben’ny tanàna ao an-toerana ny fampidirana rano fisotro madio, ny asa fanamboaran-dalana…Malaindaina amin’ny fandoavana ny tamberim-bidy tokony hiditra amin’ny kaominina ihany koa ireo sinoa. Mahatratra 40 taona anefa izy no hijanona ao Ambohimalaza, antony mampitaraina sy mampanahy mafy ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ity kaominina iray ity. Tsiahivina moa fa  teratany sinoa avokoa izy ireo no miasa ao amin’ity toerana fitrandrahana vato ity.  Azo isaina amin’ny rantsan-tanana ireo Malagasy nalain’izy ireo hiasa ao aminy nefa hafa mihitsy no nifanarahana teny am-piandohana, hoy hatrany ireo mponina.

 

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT