Actualités

Kaominina Ambohijanaka Nitombo ny isan’ny sekoly ambaratonga fototra


  • Talata 03 Novambra 2015

Ny faramparan’ny herinandro lasa teo no tontosa, teny amin’ny biraon’ny Kaominina Ambohijanaka, ny fanaovan-tsonia teo amin’ny Fikambanana Fraternité-Amafisoa sy ny Kaominina Ambohijanaka, izay notarihan’ny ben’ny tanàna Ratsimbazafy Alain.

 

 Ho amin’ny fananganana sekoly ambaratonga voalohany, ao amin’ny fokontany Tsilazaina. Mitentina 53 000 Euros ny asa fanorenana. Hisy rihana iray ary ahitana efitrano miisa 6 izay hisy famakiam-boky, efitrano ho an’ireo mpampianatra, toeram-pivoahana ary rano fisotro madio amin’ny alalan’ny fametrahana paompy ity sekoly vaovao ao Tsilazaina ity. Ny Kaominina no hiantoka ny toerana hananganana ny sekoly ary ny iray isan-jaton’ny tetibola ampiasaina amin’izany. Sambany no hanana sekoly ambaratonga voalohany ny fokontany ao Tsilazaina iray amin’ireo fokontany miisa 12 mandrafitra ny Kaominina Ambohijanaka. Tsy nijanona ho fampanantenana sy kobaka am-bava fotsiny, araka izany, ireo toky nomen’ny Ben’ny tanànan’Ambohijanaka ho amin’ny fampandrosoana ny tanàna, nandritra ny fampilezan-kevitra tamin’ny fifidianana farany teo, fa narahina asa fanatanterahana avy hatrany na dia vao fotoana fohy aza no nitantanany indray ny Kaominina Ambohijanaka. Santatr’ireo asa fampandrosoana maro mbola hotanterahana, hoy izy ity fanaovan-tsonia ity fa hisandrahaka amin’ny sehatry ny fanamboarana tohadrano, fanamafisana ny fandriampahalemana … ny sehatrasa manaraka.

Rabri


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT