Actualités

Kaominina Ambohijanaka Nanampy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra


  • Alakamisy 01 Jona 2017

Mitohy hatrany ny asa sosialy tanterahin’ny kaominina ambanivohitra Ambohijanaka amin’izao fotoana izao.

Taorian’ny fanamboarana ny làlana sy ny tsena dia niroso tamin’ny fanampiana ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny kaominina ambanivohitra Mandalotsimaka indray ny tenany.  Amin’ny ankapobeny mantsy dia tsy afaka mampiana-janaka araka ny tokony ho izy intsony ireo Ray aman-dReny miaina eny ambanivohitra noho ny tsy fahampian’ny ho enti-manana. Ny fikambanana WTDM  avy any Angletera no nanolo-tanana ny kaominina tamin’izany. Zezika, masomboly, siny, angady ary ranom-panafody famonoana bibikely no natolotra azy ireo tamin’izany ka ray aman-dreny miisa 100 no nahazo tombontsoa. Tanjona raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Alain Ratsimbazafy ny mba hahafahana manohana ara-pitaovana ireo ray aman-dreny ireo  entina hanatsarana ny asa fambolena sy fiompiana sahaniny, ho fitsinjovana ireo kilonga madinika. Mbola hitohy any amin’ny fokontany hafa ny hetsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT