Actualités

Kaominina Ambohijanaka Nametraka paikady ho fanampiana ny tanora


  • Alakamisy 12 Novambra 2015

Tsy nataon’ny Ben’ny tanànan’Ambohijanaka Ratsimbazafy Alain ho an-jorombala ny fametrahana paikady maty paika ombana drafitra tsara rindra ho fanampiana ireo tanora ahafahany mihoitra amin’ny fiainana sy hanana hoavy mamiratra. Tafiditra anatin’izany ny fametrahana fiaraha-miasa amin’ny fikambanana tsy miankina “Young Men’s Christian Association” YMCA

 

. Ny taona 2013 no nanombohan’ny fiaraha-miasa izay niompana amin’ny lafiny fihariana (Fanolorana fiofanana sy famoronana orinasa madinika), ny fahasalamana, fanabeazana Olom-pirenena vanona…Efanahazoam-bokatra ny fiaraha-miasa. Anisan’izany ireo tanora miisa 119 efa mandraharaha eo amin’ny sehatry ny fiompiana sy fambolena eny amin’ny Kaominina Ambohijanaka.  Tanora miisa 33 kosa no nanolo-tena ho Mpitarika amin’ny maha Olom-pirenena vanona izay nomena fiofanana manokana ary antsoina hoe : “Peer Leader” na PL. Tanora 56 no lasa Mpanabe ireo tanora mitovy aminy eo amin’ny lafiny fahasalamana. Hetahetan’ireo tanora ny hampidirana ireo hetsika ireo ho ao anatin’ny drafitrasa ho fampandrosoana ny Kaominina. Dingana ho amin’izany ny nanatanterahana atrikasa famolavolana ny programan’ny Kaominina ho amin’ny fampandrosoana ny tanora ao anatin’ny vina dimy taona. Nandray anjara tamin’ity sehatra malalaka fifanakalozan-kevitra ity ny avy ao amin’ny Kaominina Ambohijanaka, ireo solontenan’ny tanora ary ny fikambanana YMCA. Ny Kaominina Ambohijanaka, araka izany, no nisantatra ny fomba fiasa fakana hevitra mivantana amin’ireo tanora ho famolavolana fandaharanasa maharitra ho amin’ny fampandrosoana sy fanampiana azy ireo hanana hoavy mamiratra.

Jean D.

.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT