Manao tohivakana !Io no azo ilazana ireo asa fampandrosoana an-dalana sy efa tontosa eo anivon’ny Kaominina Ambohijanaka-Atsimondrano, izay ahitana Fokontany miisa 12.
Ampahany amin’ireny ny fiaraha-miasa eo amin’ny fikambanana “Young men’s Christian Association “YMCA”. Ity farany izay nanamafy ny fiaraha-miasa tamin’ny alalan’ny fandefasana ny iraka manokana notarihan-dRamatoa Rehan Merali, mpandrindra ny fandaharanasa aty Afrika ho an’ity fikambanana misahana ny asa fampandrosoana sy fanabeazana ireo tanora ity. Nohamafisiny nandritra ny fihaonana nifanaovany tamin’ny Ben’ny tanànan’Ambohijanaka Ratsimbazafy Alain, ny fahavononan’ny fikambanana YMCA hanatevina sy hampitombo ny fiaraha-miasa efa nisy hatrany amin’ny taona 2013 amin’ny Kaominina Ambohijanaka.
Raha tsiahivina, efa maro amin’ireo tanora ao amin’ny Kaominina Ambohijanaka no nisitraka ny tombontsoa azo avy amin’ny fiaraha-miasa amin’ity fikambanana ity. Anisan’ireny ny famoronana orinasa madinika eo amin’ny lafiny fiompiana sy fambolena ary ny fampiofanana maro ahafahan’ireo tanora mifampitaiza sy mifanabe ho Olom-banona. Niara-dalana tamin’ity fitsidihana fanamafisana fiaraha-miasa ity ihany koa ny fahatongavan’ireo tanora mpikambana amin’ny rantsan’ny YMCA, avy amin’ny lafivalon’ny Nosy nitsidika sy nandranto traikefa teny anivon’ny Kaominina Ambohijanaka izay noraisin’ny fikambanana ho Kaominina fitaratra “Commune pilote” amin’ny fanomezana sehatra malalaka hivelaran’ireo tanora amin’ny asa fampandrosoana sahaza azy ireo. Anisan’ny an-dalana koa ankehitriny ny asa fanamboaran-dalana rarivato, mirefy 500 metatra, ao amin’ny Fokontany Ambodiakondro. Efa tontosa kosa ny fanavaozana ny tafo ho an’ny EPP ao amin’ny Fokontany Mandalotsimaka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.