Noho ny ezaky ny ben’ny tanŕnan’ny kaominina Ambohijanaka Alain Ratsimbazafy dia hamboarin’ny orinasa Colas maimaimpoana avokoa ireo lalana rehetra simba vokatry ny ranon’orana nateraky ny rivodoza ao anatin’ny kaominina Ambohijanaka. Tafiditra ao anatin’ny IIIP ny hetsika ka lalana mirefy 5 ka hatramin’ny 7 Km no
voakasik’izany. Mahakasika fokontany maromaro ity asa fanamboaran-dalana ity, raha ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna hatrany satria dia mamakivaky fokontany maro toa an’Ambodiakondro izay nanomboka ny asa ny talata lasa teo, Ambohijanaka ary mipaka hatrany Tsilazaina. Haharitra herinandro eo ho eo no faharetany ka misy ny fampiasana akora voafantina hataon’ny Colas mandritra izany. Tanjona amin’izao hetsika izao moa ny hahafahan’ny mponina mifamezivezy sy mamoaka vokatra. Tetikasa manaraka ny fanamboarana ireo lalana any anatin’ny fokontany tsirairay avy izay hiarahana amin’ny CCPREAS.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.