Olon-tsotra monina eny Ambohidrapeto Atsimondrano ihany i Zafera Josimar saingy efa nitantana fikambanana. Efa ananany ny traikefa amin’ny fitondrana olona, asa efa niainany hatrany am-pianarana. Tsy nahatsindry ny tenany manoloana ny voina mitranga eto amin’ny firenena ka tonga nanolotra sakafo antoandro ho an’ireo mpiara-monina aminy traboina ny faran’ny herinandro teo
. Miisa 200 ireo nahazo tombontsoa monina ao Imerimandroso, Antsahamasina ary Ambohidrapeto. Ankoatra ireo traboina ireo dia nomena vatsy isan-tokantrano ihany koa ireo hita fa tena sahirana teny an-toerana. « Finiavana manokana ary fitiavana ny mpiray ra sy tanindrazana no nanaovako izao fanampiana izao; hoy i Zafera Josimar, asa izay natao tamin’ny anarany manokana ihany. Nohamafisiny fa tsy misy ambadika politika na fanampiana avy amin’ny fikambanana hafa ireo sakafo ireo fa avy amin’ny tenany manokana. Santatra am-bavarano ihany moa ny omaly satria dia hiroso amin’ny fanampiana ireo tena mahantra ny tenany atsy ho atsy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.