Actualités

KAOMININA AMBOHIBAO ANTEHIROKA


  • Talata 28 Febroary 2017

Tsy "WC" sy trano fidiovana ny 30 %-n’ny mponina Tsy manana trano fivoahana (WC) sy trano fidiovana ny 30 %-n’ireo mponina ao anatin’ny kaominina Ambohibao Antehiroka.

  Voatery nirotsaka an-tsehatra namaha ny olana ny kaominina noho izany ka tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasany tamin’ny sehatra tsy miankina no nanatanterahany izany. Toerana roa ao amin’ny fokontany Ambohibao; fokontany iray amin’ireo sivy misy ao an-toerana  no nananganana ny foto-drafitrasa momba ny fahadiovana sy fidiovana ny herinandro teo, niarahana tamin’ny Anja service.  Ahitana trano fivoahana sy fandroana io fotodrafitrasa io, misy efitrano maromaro. Ny kaominina no niantoka ny tany sy nanamora ny taratasy fahazoan-dalana nanorina ny trano raha noraisin’ny Anja Service an-tanana kosa ny fanatanterahana ny asa rehetra. Mitentina 30 tapitrisa Ar isanisany ny lelavola lany tamin’izany izay ezahina hisandrahaka manerana ireo fokontany valo ambiny. Tsiahivina fa notontosaina ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny fiangonana katolika Ambohijanahary ihany koa ny fotoam-pivavahana nanomezam-boninahitr’Andriamanitra ho fitrotroana am-bavaka ny fanahin’ny vadin’ny Ben’ny tanànan’Ambohibao Antehiroka Razakandrainy Bezoro, taorian’ny roa taona nandaozany ny tany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT