Actualités

Kaominina Ambavahaditokana Betsaka ny asa vita na dia tsy ampy tetibola aza


  • Alarobia 24 Janoary 2018

Betsaka ny asa vitan’ny kaominina Ambavahaditokana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano nandritra iny taona nivalona 2017 iny.

 

Anisan’ireny ny fanamboarana tranom-pokontany, ny lalana, ny fanamboarana fefiloha ao amin’ny fokontany Ambohimarina, izay mbola eo am-panatanterahana ny asa ny orinasa misahana izany ankehitriny, ny famatsiana masomboly vary ireo tantsaha mpamokatra. Na izany aza anefa hoy ny ben’ny tanàna Ratiarison Bruno dia mbola betsaka ihany koa ny asa miandry amin’ity taona vaovao 2018 ity. Nosinganiny manokana ny asa fanatsarana ireo lalana anatina fokontany miisa enina tokony hatao rarivato. Mirefy 11 ka hatramin’ny 12 km izy ireo nefa efa mahatratra 35.000 Ar ny manamboatra lalana rarivato 1 m² amin’izao fotoana.  Tsy ho zakan’ny tetibolan’ny kaominina mihitsy izany fa tsy maintsy hitadiavana mpamatsy vola hafa. Miantso hatrany ireo mponina ao amin’ny faritra iadidiany izy hanefa araka ny ny adidiny amin’ny fandoavan-ketra. Anisan’ny kaominina voafidy hanatanterahana ilay tetikasa lalankely vatsian’ny AFD vola ihany koa ny kaominina Ambavahaditokana.


Ny kaominina Ambavahaditokana no lehibe indrindra ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Mirefy 6,6 km 2 ny velarany, misy mponina 50.000 isa. Tanora avokoa ny 70 %-n’izy ireo misandrahaka amina fokontany miisa enina. Mirefy 320 ha  ny velarantany azo volena ao aminy, raha 34 ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana manabe ireo ankizy sy tanora mpianatra ao aminy. 9 km miala ny renivohitra kosa no misy azy raha tsiahivina.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT