Actualités

Kaominina Alasora Voakarakara manokana ireo zokiolona


  • Talata 27 Jona 2017

Niavaka ny fanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena ho an’ny kaominina ambanivohitra Alasora.

 

 Nampifaly havanja ny mpiara-belona nanomboka ny sabotsy 24 hatramin’ny omaly alatsinainy 26 jona 2017 mantsy ny fiadidiana ity tanàna ao amin’ny distrikan’Avaradrano ity. Nifandimby teny an-toerana avokoa moa nandritra io hateloana io ny rindran-kira nahitana an’i Tence Mena, ny hiragasy nifanandrinan-dRamilison Besigara sy Razafindramanga Berthine, ny fandefasana ny horonantsary «Gisa Mainty 2018», ny totorebika ho an’ny vahoaka na «bal populaire»ny alin’ny 25 jona ary ny filaharan’ireo hery velona ao an-tanàna nandritra ny asaramanitry ny 26 jona 2017. Nisongadina manokana kosa ny fandefasana afomanga izay naharitra 30 minitra be izao ho fanomezana fahafaham-po ny mponina, hoy ny ben’ny tanàna Marc Ramiaranjatovo. Ankoatra ny fanaovana didimpoitra faobe ireo zaza madinika miisa 200 dia nisitraka bodofotsy sy ranom-boankazo ihany koa ray aman-dreny sy zokiolona 800 miampy ny fizarana harendrina ireo kilonga 1.000 avy amin’ireo fokontany 3. Maimaimpoana avokoa ireo rehetra ireo izay avy amin’ny tetibola manokan’ny kaominina, hoy hatrany ny ben’ny tanàna.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT