Anisan’ny kaominina nahiana mafy tamin’ny tondra-drano teto Antananarivo sy ny manodidina ny kaominina Alasora tamin’ny taona 2017.
Faritra roa raha araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàna Marc Ramiaranjatovo no tena natahorana mafy ho vaky vokatry ny fahanteran’ny fotodrafitrasa. Efa tsy misy ahiana intsony anefa izany ankehitriny. Efa vita tanteraka ny asa fanamboarana ny fotodrafitrasa, niarahan’ny kaominina tamin’ny APIPA sy ny orinasa SOGECOA tao anatin’ny efa-bolana. Ankoatra izay, fokontany miisa telo ao anatin’ny kaominina Alasora ihany koa no nahazo herinaratra dia ny fokontany Atsimo Ambohipo, Atsinanana Mahazoarivo…Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina tamin’ny fikambanana « Association électricité sans frontiere » no angady nananana sy vy nahitana azy. Mitentina 140 tapitrisa Ar ny vola holaniana ka ity fikambanana ity avokoa no hiantoka ny fahatongavan’ny herinaratra any an-tokantranon’ireo mponina manomboka any amin’ny tariby mitondra ny herinaratra ka hatramin’ny andrin-jiro. Ezahina ho vita alohan’ny fetin’ny 26 jona ny fanaparitahana ny herinaratra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.