Actualités

Kaominina Alasora Nipoitra tao ambadiky ny fanosoram-potaka ny Ben’ny tanŕna ny marina


  • Alakamisy 06 Mey 2010


Mazava ankehitriny ny raharaha momba ilay fanosoram-potaka ny ben’ny tanànan’Alasora mikasika ny niampangan’olon-tsotra iray azy ho nikapa hazo teo amin’ny tany izay nosolokiany. Taorian’ny nanalan’ny kaominina ilay chef de poste-n’ny zandarimariam-pirenena teo aloha teny an-toerana mantsy dia niely ny feo fa tratry ny sazy miantona nandritra ny 18 volana ny Ben’ny tanàna, Ramanamihaja Benarivo noho ny fibodoana tanin’olona sy ny fanaparam-pahefana nataony. Tsy marina velively anefa ny filazana fa nibodo tanin’olona ny Ben’ny tanàna araka ny resadresaka nifanaovany taminay. Noho ny fiarovany ny tanin’olona iray izay efa manan-tompo ka nosolokiana olona hafa no niteraka ny olana. Sorena vokatr’izany ireto farany raha tsy nahazo taratasy fahazoan-dalana hanorina trano ka nitady hirika namelezana ny Ben’ny tanàna ary nitondra porofo tamin’ny alalan’ny sary teny amin’ny fitsarana izay nampiseho ny sarin’ny Ben’ny tanàna nikapa ny hazo teo amin’ny taniny. Tena niakatra fitsarana tokoa ny raharaha ary nahazo sazy miantona nandritra ny 18 volana ny Ben’ny tanàna. Voalaza ho niray tsikombakomba mantsy ny tenany raha tsy fantatra akory izay tena olo-meloka. Taitra noho ny fandehan-draharaha ilay tena tompon’ny tany ka nametraka fitoriana ary nitory ilay olona nisoloky ny taniny. Mazava eo anatrehan’ny fitsarana ny raharaha ankehitriny. Niaro ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny fananany no nampidi-doza ny ben’ny tanàna. 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT