Nametra-pialana ny alatsinainy teo amin’ny maha lefitra faharoa azy ny PDS-n’ny Kaominin’i Toamasina I, Rtoa Naharimamy Irma. Nisy ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny PDS Rakotovao Mariot tao amin’ny biraon’ity farany. «Tsy maintsy nataoko izao famindram-pitantanana izao, noho ny asa goavana miandry ahy eo anivon’ny filoha lefitry ny Kongresy misolo tena ny faritanin’i Toamasina teo aloha», hoy Rtoa Irma. Nambarany koa anefa tsy safidiny loatra no naha mpikambana ao amin’ny Kongresy fa andraikitra natolotra ka tsy maintsy raisina, satria “tsy miamboho adidy aho...ry Tgv”. Reharehan-dRtoa Naharimamy Irma ny nilazany fa «izaho no vehivavy filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena voalohany tamin’ny tantaran’i Madagasikara, ka ny fijerena ny fandrosoan’ny vevivavy sy ny faritanin’i Toamasina izay soloko tena no mahamaika ahy ankehitriny». Hatramin’izao dia tsy mbola misy ny misolo ny toerany, na efa mandeha aza ny anaran’Atoa Ricky Dinh Van izay mety haka ny toeran’ny lefitra faha-2 ny Pds-n’ny Kaominin’i Toamasina. Nolazain’ny PDS anefa fa misokatra ny “filatsahan-kotendrena” ho an’izay liana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.