Mbola nibahana tamin’ny dinika namaranana ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny mpanolotsaina monisipaly, izay naharitra telo andro, ny mikasika ny fako misavovona etsy sy eroa ao Toamasina ankehitriny sy ny fandaminana ny tsena lehibe eny Ankirihiry. Nampaneno lakolosy tamin’ny mpanatanteraka izy ireo mba hamahana haingana io loza mitatao amin’ny mponina io. Nilaza noho izany ny mpanatanteraka fa “efa misy ny ezaka goavana natao nanomboka ny alatsinainy amin’ny fanalana ireo fako miangona etsy sy eroa sy eny amin’ireo toerana fanariam-pako». Hanome tanana ny kaominina amin’izany orianasa SMMC sy ny SPAT. Mikasika ny olan’ny tsena indray dia mifampiampanga ny mpanatanteraka sy ny mpanolotsaina. Itsy voalohany milaza fa miaro ny tsy mpanara-dalàna ireto farany. Nitsipaka izany fiampangana izany avy hatrany moa ny mpanolotsaina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.