Actualités

Kaominin’i Toamasina I Manambana hitokona ireo mpiasa mahatsiaro iharan’ny jadona


  • Alarobia 28 Jolay 2010

Miteraka fahasorenana sy hatezerana ao amin’ireo mpiasa hiharan’ny antsojay ny fihetsiky ny PDS sy ny fomba entiny miteny ireo mpiasa raha mba misy ny fihaonana aminy. Latsa sy teny maharary lava no azon’ireo mpiasa, araka ny fitarainan’ireto farany.

Mety ho valifaty politika amin’ireo mpiasa mpanara-dia an-dRakotomanana Gervais sy ingahy Roland Ratsiraka no antony. Ireo mpiasa an-tselika nampidirina nandritra ny naha Ben’ny tanàna azy mirahalahy ireo mantsy no fantatra fa iharan’ny antsonjay ankehitriny. Ireo noraisina ho mpiasa birao hatramin’ny sekretera aza nalefa hamafa lalana sy hanadio tanàna. Vokany, misy ny vina ny hanao hetsika ho fanairana kasain’ireo mpiasa mahatsiaro fa iharan’ny antsonjay ireto, amin’ny fanaovana fitokonana eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna. Araka ny nambaran’ireo mpiasa ireo dia izay vokany dia vokany amin’izay, na hifarana amin’ny fandroahana, fa ny tanjona aloha dia ny hampiseho eo imason’ny manampahefana sy ny vahoakan’i Toamasina, fa misy ny tsy rariny mahazo azy ireo sy ny tsindry hazo lena ary ny didy jadona izay nolazaina fa nesorina sy nalana teto amintsika, nefa miverina ankehitriny. Tantara mitohy eo anivon’ny kaominin’i Toamasina I indray izany ity raharaha mpiasa ity. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT