“Be loatra ny mpiasa eo anivon’ny kaominin’i Toamasina, tsy araka ny hitako miasa ny isa hitako izay mahatratra 438 ny mpiasa raikitra ary 533 ny mpiasa an-tselika. Be ny tsy miasa fa mandray vola fotsiny”. Izay no nambaran’ny Pds Rakotovao Mariot Florent raha mikasa ny handroaka mpiasa ny tenany noho ny tsy fisiam-bola eo anivon’ny Kaominina sy tsy mbola fivoahan’ny vola eo anivon’ny Trésor vokatry ny zava-misy amin’ny fitsarana eo amin’ny Pds sy ny Ben’ny tanàna nalana.
Terena tsy maintsy mitondra kara-panondro tsirairay, ary hanaovana fiantsoana manokana fanamarinam-pahatongavana ireo mpiasa rehetra manomboka anio alatsinainy 12 jolay. Manomboka anio koa izany ny fandroahana ny mpiasa izay heverin’ny Pds fa mpandany vola fotsiny nefa tsy hita marina ny asa ataony. Raha ny tetibolan’ny Kaominina nolanian’ireo mpanolotsaina tamin’ity taona 2010 ity hoenti-miasa anefa, dia mananika ny 3.000 tapitrisa ariary, ka ny 70%-n’izany dia natokana ho an’ny karaman’ny mpiasa avokoa ary ny 30% entina hanaovana ny fampiasam-bolan’ny Kaominina. Hatramin’izay anefa, na teo aza ny fahataran’ny karama ho an’ny mpiasa an-tselika ny ankamaroany, dia voaloa hatrany izany ary mbola ny Ben’ny tanàna Rakotomanana Gervais aza no nanao sonia azy ireny ny volana mey sy ny jona lasa teo.
Fa ny zavatra tsikaritra vokatry ny fitarazohan’ny krizy eto amintsika dia mihena sy malaina mandoa hetra koa ny mponina. Vokany, mihena ny fidiram-bolan’ny Kaominina, ka izao fandroahana mpiasa lazaina fa tsy miasa izao no vahaolan’ny Pds hamahana ny olana sedrainy teo am-pandraisana ny fitantanana ny tanànan’i Toamasina.
Ho hita eo ihany ny mikasika ity fandroahana mpiasa eo anivon’ny Kaominina manomboka anio ity, satria raha izao krizy misy sy iainana isan-tokantrano izao, mbola hisian’ny fandroahana mpiasa izay an-tselika tsy mandray mihoatra ny 30.000 ariary isam-bolana no hatao. Hitombo izay tsy izy ihany koa izany ny vahoaka mahantra ao Toamasina, ary hihamaro ny olona hivarotra amoron-dalana izay efa tsy voafehy vokatra izay fahantrana sy tsy fananan’asa izay.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.