Actualités

Kaominin’i Talatavolonondry Midina mitety fokontany mitaky hetra


  • Alatsinainy 20 Febroary 2017

Tena nalaina tanteraka tamin’ny fandoavan-ketra ny mponina tao Talatavolonondry nanomboka ny taona 2009 no ho mankaty, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanŕna Rakotondrafaraniaina Martin.

 

 Tafiditra hatrany amin’ny 7 % mihitsy ny taham-pampidiran-ketra teo anivon’ny kaominina taorian’ny krizy pôlitika niseho teto amin’ny firenena raha efa nahatratra 99 % tamin’ny taona 2006-2007 nandritra ny fitondran’ny filoha Ravalomanana. Voatery nitady paikady ny kaominina ka misy ny fitetezana fokontany tanterahin’izy ireo ankehitriny entina hanentanana ny mponina. Sady manamboatra kara-panondrom-pirenena izy ireo, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna hatrany  no manao bokin’omby ihany koa mba tsy hivezivezen’ny mponina. Efa tafakatra 40 ka hatramin’ny 45 % ny tahan’ny fandoavan-ketra hatreto vokatr’izany, ezaka izay mbola hotohizana hatrany, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna. Nambaran’ity Ben’ny tanàna ity moa fa tena mazava ho azy ireo ny fizotr’ireny  karazana hetra aloan’ny vahoaka ireny. Misy mihitsy mantsy ny tabilao mipetraka ao amin’ny kaominina entina hampahafantarana izany ny vahoaka toy ny fandoavana ny karaman’ireo mpampianatra FRAM miisa 30 mampianatra eny anivon’ny EPP, ny fandoavana ny karaman’ireo mpitsabo eny anivon’ny CSB II, raha toraka  izay ihany koa ny fanakaramana ireo mpampianatra eny anivon’ny Lycée.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT