Nankatoavin’ireo mpanolotsain’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra ny kaontim-pitantanana taona 2014 sy ny tetibola fanampiny taona 2015 ho fanohizana ny asan’ny teo aloha, hoy ny filohan’ny filankevitra Andriambahoaka Faustin.
Nialoha lalana nandinika izany kosa ny vaomiera momba ny Fitantanana sy ny Tetibola. Teboka iray nisongadina nandritra ny fivoriana telo andro nifarana omaly moa ilay «Délibération 9BisCUA/CMDélib 12 du 18/04/2012» mikasika ny fitantanana ny fananan’ny kaominina eto an-drenivohitra. Fanapahana tsy maintsy mandalo ny fanaraha-maso avy amin’ny prefektiora ka nilazan’ity farany raha mifanaraka amin’ny lalàna izany na tsia. Tratran’ny fanafoanana io fanapahan-kevitra noraisin’ireo mpitantana ny kaominina tamin’ny taona 2012 io, hoy ny filohan’ny filankevitra monisipaly. Miezaka mampiseho ny mangarahara ao anatin’ny adihevitra mampanjaka ny lalàna ireo mpikambana mpanolotsain’ny tanàna, araka ny fanamarihan’ity tompon’andraikitra ity. «Mijanona eo amin’ny fandinihana miaraka amin’ny fikirakirana ireo antontan-taratasy no andraikitra sahaninay 55 mianadahy fa anjaran’ny mpanatanteraka kosa ny manatontosa ny asa mifanaraka amin’ny voalazan’ny lalàna. Laharam-pahamehana anefa hatreto ny fijerena sy fandaminana ny fiainan’ny mponina eto Antananarivo», hoy ihany ny filohan’ny filankevitra monisipaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.