Actualités

Kaominin'Ambohijanaka Trano 60 isa no mety horavana


  • Alakamisy 02 Martsa 2017

Taorian’ny fandravana trano teny Soavimasoandro sy Ivato mba hahafahana manitatra ny lalana eto an-drenivohitra sy ny manodidina dia voakasika ihany koa ny kaominina Ambohijanaka Atsimondrano amin’izao fotoana izao

.Trano manodidina ny 60 isa no mety horavana ato ho ato, noho  ny fisian’ilay tetikasan’ny minisitera eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika misahana ny tetikasan’ny filoha sy ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana, fanamboaran-dalana izy io. Manomboka ao amin’ny fokontany Imerimanjaka no voakasika, hoy ny Ben’ny tanàna Alain Ratsimbazafy mandalo ao an-tampon-tanànan’Ambohijanaka, mipaka hatrany Masipapango fokontany Ankadivola,  lalana izay mirefy 6 km eo ho eo. Ankoatra ireo trano ireo dia fantatra ihany koa fa ho voakasika ny Rova iray izay nahan’Ambohijanaka an’Ambohijanaka hatramin’izay. Nanatanteraka fanadihadiana ifotony mikasika izany ny teo anivon’ny kaominina nanomboka ny 20 febroary lasa teo narahin’ny fananganana ireo komity isam-pokontany. Tsy manda ny fampandrosoana ny tanàna ny vahoaka saingy ahiahy mibahana ao an-tsain’izy ireo kosa  ny onitra mety ho azony izay mety tsy hifanaraka tamin’ny fotodrafitrasa nosimbaina akory, ny fanimbana ireo foto-drafitrasa efa misy ka tokony hitadiavana vahaolana hafa toy ny fanaovana  “déviation”   na koa lalana hafa  mihitsy no hitarina. Miezaka hatrany moa ny kaominina mandamina izany, fivoriana izay mola nitohy hatramin’ny omaly ary hatolotra ny minisitera aorian’ny fandravonana ireo hevitry ny fokonolona tapaka.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT