Roa andro ny faharetan’ny fitsarana ireo raharaham-pifidianana rehetra ao amin’ny faritany Mahajanga, ka rahampitso zoma no fotoana voatondro hanombohana azy io
. Ireo fitarainana izay tena mafonja no hotsaraina amin’io. Ny tsy fampidirana ireo mpifidy ao anatin’ny lisi-pifidianana nampiasaina tamin’ny 31 jolay no tena maro tamin’ireo fitarainana miisa 427 voarain’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ao Mahajanga ankoatr’ireo ny hala-bato nandritra ny fanisana. Ho an’i Mahajanga I dia ny antoko Mapar izay nitarika vonjimaika amin’ny vokatra no tena nahazoana fitarainana be indrindra. Miakina amin’ny didim-pitsarana hivoaka aorian’izay ny vokatra ofisialy havoaka amin’ny 18 septambra.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.