Mafonja sy marobe ireo porofo tsy fanarahan-dalŕna voarakitra ao anatin’ireo taratasy fitoriana natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara Bongatsara teo anoloan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana omaly teny Anosy
. Azo fintinina amin’ny hala-bato miaraka amin’ny fampiasana ny fahefam-panjakana sy ny rafitra mikirakira ny fifidianana eny ifotony izy ireo. Anisan’izany ny fikarakarana fety miezinezina nampisongadinana ny Ben’ny tanàna kandida tao amin’ny «Place de l’Amitié» ny 28 jona 2015 izay nambaran’ny mpitory fa nampiasana ny volan’ny Kaominina. Teo ny faneriterena miaro fandrahonana ny safidin’ireo olom-pirenena teny anivon’ny fiarahamonina nandritra ny fampielezan-kevitra na koa ny fisandàna vola na zavatra toy ny fanomezana tany mirefy 300 ara ho an’ireo tompon’andraikitra mpitantana ny eny anivon’ny fokontany. Tranga hafa nanaitra tsy fanarahan-dalàna ny fanivanana ireo tanora vao feno taona nahazo kara-panondrom-pirenena sy ny tsy fahatongavan’ny lisi-pifidianana ara-potoana feno lesoka toy ny famerezan-jo ireo mpifidy teo aloha na ireo anarana miverimberina. Voaporofo nandritra ny fandatsaham-bato tao amin’ny Kaominina Bongatsara ihany koa ny fisian’ireo biletà tokana efa voamarika mialoha narotsaka tao anaty vata fandatsaham-bato. Fandikan-dalàna iray hafa moa ny tsy fanajan’ilay antoko notoriana ny fe-potoana 3 andro hanaterana ny taratasy fiarovan-tena.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.