Tsy mbola voaantso na nalaina am-bavany na namoahana didy fampisamborana hatramin’izao ny kaomandŕ Roger Luc izay voarohirohy ho nikasi-tanana ka nahafaty ilay manamboninahitra teny Ivato.
Ny manampahefana anefa dia efa nilaza fa hotanterahana haingana ny fanadihadiana ary tsy maintsy ho fantatra ny marina ary hosaziana araka ny lalàna ny namono nahafaty ny lietnà Théodule. Ny praiminisitra Camille Vital moa dia mbola nanamafy tamin’ity herinandro ity fa anjaran’ny fitsarana sy ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny foloalindahy ny mieritreritra izay tokony hatao amin’ny kaomandà Roger Luc. Araka ny fahafantarana azy anefa, hatramin’izao dia tsy nisy mihitsy ny fepetra noraisina momba io raharaha io, ary afaka mivezivezy sy mamonjy ny toeram-piasany isan’andro ny kaomandà Roger Luc. Ka eo no mahalasa saina ny mpanara-baovao maro hoe : inona marina no tena nitranga ? Vokatr’ilay daroka nahazo azy tokoa ve no nahafaty ilay manamboninahitra ? Ary misy marina ve ny porofo afaka hiampangana ny kaomandà Roger Luc ?
Fa ny somary mahagaga amin’ity tranga ity, mandeha koa ny resaka fa toa hoe tsy sahy misambotra ity manamboninahitra ity noho ny ahiahy amin’izay mety hisian’ny fifandonana ny manampahefana. Araka ny fahitan’ny olona azy dia tsy mihazakazaka ve izany ny fanadihadiana sy ny fisamborana, raha miaramila no voakasika amina raharaha hafahafa, fa raha sivily dia ny alin’ny nitrangan’ilay zavatra dia efa vosambotra sy voadaroka avy hatrany, ary ny ampitson’io ihany dia tonga eny amin’ny fampanoavana ary miditra any am-ponja. Miandry ny tena marina amin’ity raharaha ity ny rehetra ary manantena fa ho ara-drariny sy ara-dalàna ary ao anatin’ny fahamarinana tokoa ny fanaovana ny fanadihadiana sy ny fitsarana fa tsy sanatria ho lasa karazana fandetehana olona fotsiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.