Actualités

Kaomandŕ Roger Luc Miankina amin’Andohalo ny fahafahana manenjika azy


  • Alakamisy 10 Jona 2010

Anisan’ny mitana ny sain’ny maro ny raharaha «Roger Luc». Araka ny loharanom-baovao dia misalasala ny amin’ny hamoahana ny «ordre de poursuite» na fahafahana manenjika ny kaomandŕ Roger Luc ny eny amin’ny fiadidiana ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika eny Andohalo.

Ny antony dia mba hialana amin’ny fifanolanana eo amin’ny samy miaramila. Mihevitra mantsy ny eny Andohalo fa tsy mbola fotoana fanaovana izany izao.Niteraka resabe teny anivon’ny tafika ny fanambarana nataon’ny jeneraly Camille Vital ny talata teo. Maro tamin’ireo manamboninahitra no nametraka fanontaniana ny amin’ny hoe : hamaha olana eto amin’ny firenena ve ny fanenjehana ny kaomandà Roger Luc ? Sao mba hevitra hanakorontanana indray izany ?

Araka ny feo re avy eny amin’ny RFI sy ny BANI Ivato kosa dia maro tamin’ireo miaramila no tsy faly tamin’ny fanafihana ny toby FIGN. Samy miaramila malagasy tsy tokony hifanao toy ireny, hoy ny feo. Azo nalamina samy miaramila iny resaka iny araka ny voalazan’izy ireo fa tsy voatery niafara tamin’ny fampiasana basy. Miandry fotsiny izay fihetsiky ny mpitondra FAT moa ireo miaramila ireo ankehitriny.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT