Atahorana hivadika ady an-trano ilay nahafaty an’i Tsiharagny Retana kandida ho ben’ny tanàna avy amin’ny fikambanana Firaisankina tany Ianakafy, distrikan’i Betroka.
Tsy faly amin’izao namonoan’ny sasany azy izao ny havan’ i Tsiharagny Retana avy ao Sakamahily, kaominina iray akaikin’i Ianakafy ka tonga nanao diabe any an-toerana ombam-basy ary mikasa ny hamaly faty ny havany. I Fety Mana ilay kandidan’ny antoko Hvm izay nibata ny fandresena tao Ianakafy kosa dia re fa namonjy ny tanànan’i Betroka mba ho fiarovana ny ainy. Tsy misy porofo ahazoana mitana ity kandidan’ny Hvm ity ho tompon’andraikitra amin’izao raharaha vono olona izao saingy noho izy mpifaninana mivantana amin’ilay kandida maty dia tsy azo noferana ny ahiahin’ny mponina ao Betroka, indrindra fa ny ao Ianakafy.
Araka ny vaovao voaray ihany koa dia nisy olona roa hafa maty taorian’io namonoana ny kandidan’ny fikambanana Firaisankina io. Fomba hanampenana ny ratsy natao ihany anefa izany, hoy ny sasany mba hilazana fa tsy misy resaka politika io fa helok’ela fotsiny ihany. Ny hafa kosa indray milaza fa ireo roalahy maty taty afara ireo no nirahina namono ity kandida ity ka mba hampanginana ny raharaha no namonoana azy ihany koa. Mbola mitohy ny fanadihadiana. Marihina fa misy rohim-pihavanana ihany koa ity kandidan’ny Firaisankina ity sy ny kandidan’ny Hvm
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.