Niroso tamin’ny fampiharana ny fampihavanana sy ny fampivondronan-kery ho fampandrosoana ny kaominina Alasora ireo kandida mpanolotsaina sy ben’ny tanŕna.
Nanombohana izany ny atrikasa fikaonandoha fanangonan-kevitra avy amin’ireo ankolafin-kery misy ho fampivoarana ny fiarahamonina ifotony eny an-toerana. Nisandrahaka tamin’ny lohahevitra samihafa ny fifanakalozan-kevitra niarahan’izy 60 mianadahy tonga nifampidinika sy nandroso hevitra ho tombontsoan’ny mponina ao amin’ity distrikan’Avaradrano ity. Anisan’izany ny toekarena, ny fandriampahalemana, ny vehivavy sy ny tanora, ny asa, ny fanajariana ny tany, ny fitantanana ny kaominina sy ny fokontany. Entina handrafetana ny tetibolan’ny kaominina 2016 moa ireo fehin-kevitra rehetra voaangona nandritra ny fihaonana omaly tontolo andro. Havadika ho fandaharanasa vatsiam-bola hotanterahana mandritra ny taona vaovao hitsidika tsy ho ela rahateo ireo hevi-dehibe nisongadina tamin’ny dinidiniky ny mpianakavy, hoy ny ben’ny tanàna Ramiaranjatovo Marc. Efa manana ny drafitra fampandrosoana ny tanàna ny kaominina fa hotovanana kosa amin’ireo ventin-kevitra naroson’ireo kandida izay efa solontenan’ireo fokontany 20 mandrafitra an’Alasora.
Sary fampihaingoana : Fikaonandohan’ireo kandida mpanolotsaina sy ben’ny tanàna hanatevenana ny drafitra fampandrosoana kaominaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.