Actualités

Kamiao very tao amin’ny Seranan-tsambo Hita tamin’ny lalana mihazo an’Ambatovy


  • Alatsinainy 16 Martsa 2015

Voarohirohy tamin’ny fahaverezan’ilay kamio tao amin’ny seranan-tsambon’i Tomasina ny alarobia alina lasa teo ny mpamiliny satria tsy azo tamin’ny findainy izy nandritra ny nanjavonan’ilay fiara. Raha natao ny fikarohana dia tratra teo am-pitondrana vy fisintonana fiara mihitsoka ireny ny mpamily iray antsoina hoe

 

 Marolasy Jose Paulin sy ny mpamilin’ilay kamiao teo aloha antsoina hoe Razafy Zeze Nantenaina. Avy hatrany dia nosamborina ary nohadihadian’ny polisy izy ireo ary nilaza ny toerana nametrahana ilay fiara be tao anaty fefy misy mpiambina sy mbola mitady mpanofa amin’ny lalana mihazo an’Ambatovy. Raha ny fanazavana azo dia tsy nisy entana ity kamiao ity tamin’ny fotoana nidirany ny seranan-tsambo, ka heverina fa nitondrana entana hafa halatra avy eo anivon’ny seranan-tsambo izy ity tamin’ny fotoana fangalarana azy. Tamin’ny fotoana nahatrarana ilay kamiao koa dia nitsoaka avokoa ireo mpiambina tao anatin’ilay tanàna mifefy nahitana azy. Mbola mitohy ny fanadihadiana azy roa lahy mba ahalalana ny tena marina momba ity raharaha ity.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT