Tsy nanadino ireo voafonja marobe tazonina etsy amin’ny fonjaben’Antanimora ny ASECAM na ny fikambanan’ireo mpianatra teratany Kameroney eto Madagasikara ny faran’ny herinandro teo. Ny fonja misy ireo vehivavy sy ireo zaza tsy ampy taona no notsidihiny ka notolorany kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro,
toy ny vary tamin’ny gony, ny voamaina, ny kiraro, ny akanjo, niampy fitaovana fidiovana maro isan-karazany. Ankoatra izay dia nomen’izy ireo fiofanana momba ny zaitra koa ireo renim-pianakaviana mamita ny saziny ao an-toerana. Tanjon’ireo mpianatra mivondrona ao amin’ny ASECAM ny hahafahana manatsara ny faripiainan’ireo voafonja eny Antanimora izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny fiarovana sy fanajana ny zon’izy ireo, raha araka ny fanazavan’Atoa Auster Nzicheu filohan’ny fikambanana. Tsiahivina fa tao anatin’ny 20 taona nijoroan’ny fikambanana dia teo hatrany ireo mpianatra mivondrona ao aminy manatsara ny fiainan’ireo olona hita fa tena sahirana sy marefo. Ankoatra izay dia mampianatra sy manaparitaka ny kolontsaina Kameroney eto Madagasikara ihany koa izy ireo izay fantatra fa afaka mivady tsara. Anisan’ireny ny fampianarana dihy ny tanora, ny nahandro sakafo…
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.