Actualités

Kambana 3 mianadahy maty reny Noraisin’ny Minisiteran’ny mponina an-tànana


  • Alakamisy 23 Novambra 2017

Noraisin’ny minisiteran’ny mponina an-tanana ireo zaza kamban-telo vao teraka tany Namakia.

 Raha vao nahare ny vaovao mikasika ireo zaza kambana miisa telo vao teraka, izay namoy ny reniny teo am-piterahana tany Amboanio Namakia, distrikan’i Mitsinjo ny teo anivon’ny minisiteran’ny mponina sy ny fampiroboroboana ny vehivavy (MPPSPF), eo ambany fitarihan’ny minisitra Onitiana Realy, dia naniraka avy hatrany ny ekipan’ny talem-paritra (Direction Régionale) ao Boeny hanao ny fanadihadiana. Fantatra tamin’izany fa nila fitsaboana haingana ireo zaza satria tena mbola marefo. Manoloana ny fahasahiranan’ny fianakaviany, dia ny MPPSPF no nandray an-tanana ny fikarakarana ireo zazamenavava, ny fampidirana azy ireo tao amin’ny hopitalin’i Mahajanga sy ny fandaniana rehetra mikasika ny fitsaboana, ny sakafo sy izay ilainy rehetra. Maneho firarian-tsoa ho azy ireo ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny mponina. Efa mandeha ny fandraisana an-tanana ireto zaza tsy manan-tsiny ireto taorian’ny fipariahan’ny vaovao momba azy. Marihina fa vavy roa sy lahy iray izy ireo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT