Actualités

Kabinetran’ny PDS Kaominin’i Toamasina Tsy hita tabilao ny TGV, naka toerana ny AREMA sy ny MTS


  • Zoma 23 Jolay 2010

Tamin’ity herinandro ity no namoaka didi-pitondrana kaominaly manafoana ny fanendrena nataon’ny Ben’ny tanŕna Dr Rakotomanana Gervais ireo kabinetrany sy ny mpiara-miasa aminy ny PDS vaovaon’ny kaominina, Rakotovao Mariot, ary namoaka didy hafa koa manendry sy mametraka ny kabinetrany sy ny tale samihafa misahana ny fitantanana ireo sampandraharaha eo anivon’ity kaominina ambonivohitr’i Toamasina ity.

Raha ny fijery azy, dia tsy hita tabilao ny antoko TGV, ary niverina naka toerana ny Arema sy ny MTS. Ny zava-misy izany eo anivon’ity kaominin’i Toamasina ity, dia Rtoa Naharimamy Irma, PDS lefitra faharoa, ihany izany no Tgv ao anatiny, izy rahateo no sekretera mpanatanteraka ny antoko ho an’i Toamasina. Ireo PDS roa ambiny dia Rakotovao Mariot na niova loko ho Tgv aza nahazoana ilay toerana ministry ny tontolo iainana sy ny ala tao anatin’ny governemanta Monja Roindefo, aza dia mbola hita manompo mena ihany. I Belahy Paul kosa dia MTS, izay rahateo ny naha mpanolotsainan’ny kaominina azy teo aloha.

Raha eo amin’ny firafitry ny kabinetra sy ny tale vao napetraka indray no halalinina, dia ireo efa napetraky ny Ben’ny tanàna ihany no naverina. Ny talen’ny fitantanam-bola izao mbola i Melèce Raharitody (RAM-Vital Fampandrosoana), ny tale teknika kosa mbola i Donah Christophe (RAM), talen’ny raharaha sosialy i Eric Zakatiana (RAM) ary talen’ny fanatsarana ny tanàna i Bevoavy Joël (RAM-Arema). Misy kosa anefa ireo vaovao raha ny andraikitra fa efa teo ihany no naverina, ny Sekretera jeneralin’ny kaominina dia nankinina amin’i Patrick Joël na Patou (Arema) izay lefitra faha-4 ny Ben’ny tanàna teo aloha. Niverina tamin’ny asany teo aloha kosa dia ny talen’ny fifanolanana (contentieux), Rabariarison Setra Harrison (Arema-Vital Fampandrosoana) izay Sekretera jeneralin’ny kaominina teo aloha. Ingahy Firezy Narcisse (Arema-MTS) raha avy tsy hita noho ireny raharaha Roland Ratsiraka teo anivon’ny kaominina ireny dia niverina izao ka mihazona ny talen’ny tsena ao Toamasina. Ny vaovao izao dia Rtoa Josette izay talen’ny vola miditra eo anivon’ny kaominina, sy ny talen’ny kabinetra ny PDS, Nicaise (Arema) lefitry ny ben’ny tanàna tao Maroantsetra. Hita eto ny samy iray tany fiaviana sy ny rohim-pihavanana misy.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT