Mbola tena goavana sy makadiry ny fanovana ny toe-tsaina tsy maintsy atao eto raha toa ka hiova ho any amin’ny tsaratsara kokoa isika, araka ny fahitan’ny fikambanana Justice et Paix azy satria mahazo laka loatra ny vola sy ny kolikoly. Nambaran’ny mompera Alain Thierry Raharison, Sekretera jeneralin’ity fikambanana katolika ity, fa miteny ny vola ary izay manam-bola no mandidy sy manapaka eto Madagasikara. Tsy mandeha ho azy ny fitokonana mipoitra isan’andro etsy sy eroa, hoy izy fa misy vola ao ambadik’ireny, ary tena volabe no miasa isan’andro amin’izany, tahaka izay koa ny savorovoro mitranga eo anivon’ny foloalindahy, araka ny fahitany azy.
Tafiditra any amin’ny tafika ny herin’ny vola, ka rehefa izay no misy dia mivaha ho azy ilay fitsipi-pifehezana mampiavaka ny miaramila, araka ny filazany ihany. Ary raha ny tantara no jerena dia mbola hita taratra ao ihany koa ny toeran’ny vola teo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena, araka ny filazan’ny mompera Alain Thierry Raharison azy ihany. Tsy hoe vao izao fa efa hatramin’ny andron’ny faha Mpanjaka no notsiriritin’ny vahiny ny harena ankibon’ny tany sy an-dranomasina teto amin’ity Madagasikara ity, araka ny fanazavany, ary izay no nahamaro ireo karazana fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny Anglisy sy ny Frantsay tamin’izany vanim-potoanan’ny faha Mpanjaka izany. Nitohy izany taty aoriana ka ireo mpitondra rehetra nifandimby teto dia tsy maintsy nifandray akaiky tamin’ireo firenena vahiny, ka izay mahatolotolotra, izany hoe mandrotsaka vola be eto no mahazo ravin’avaratra tamin’ny fitondram-panjakana.
Raha fehezina ny fanazavan’ity Sekretera jeneralin’ny Justice et Paix ity dia ny vola no tena mibaiko ny zava-drehetra mitranga eto amin’ny firenena, ary rehefa zatra an’io loatra ny olona dia mahazo vahana ny kolikoly dia lasa fomba amam-panao amin’izay rehefa avy eo, ka ahitana azy daholo ny sehatra rehetra, ny politika, ny raharaham-panjakana, ny fivavahana, ny fandraharahana, ny tafika. Tsy maintsy miala amin’io fomba ratsy amin’ny fanompoana ny vola io anefa isika raha tena te hanangana firenena vanona, araka ny nambaran’ny mompera Alain Thierry Raharison, satria tokony hijanona ho fitaovana ihany ny vola fa tsy hibaiko ny olona amin’ny zava-drehetra ataony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.