Mbola betsaka ireo tanora tsy an’asa eto amintsika, eny fa na dia ireo efa nahavita fianarana aza.
Mba ho fanampiana azy ireny dia hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ny 22 sy ny 23 febroary ho avy izao indray ny andiany fahasivy amin’ilay “Journée de l’emploi et de la formation”, karakarain’ny Management Ressources Humaines. Asa manodidina ny 1.500 isa no haranty mandritra izany, hiarahana amin’ireo orinasa lehibe maro samihafa toy ny Compagnie Malagasy des textiles, ny Microcred, ny orinasam-pifandraisana Orange, ny SITMA izay mbola mitady mpiasa marobe tokoa. Tanjona ny hahafahana manome asa ireo tsy manana hahafahana mampivoatra ny faripiainan’ny tsirairay avy. Nandritra ireo andiany valo efa lasa nokarakarain’ny MRH dia nambaran’Andriamatoa Rafik Mohamedaly hatrany fa raha 70.400 ireo tolotr’asa nomena ho an’ireo tanora tsy an’asa teto an-drenivohitra dia olona miisa 2.100 monja no nahazo tombony tamin’izany. Noho ny fahamaivanan’ny fahaizan’ny mpitady asa no voalaza fa antony, indrindra fa ny tsy fahaizana ny teny vahiny. Vahaolana aroson’izy ireo ny tokony hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny sekoly ambony sy ny orinasa hahafahana manazatra sy manome traikefa ny mpianatra sahady.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.