Actualités

Jono sy fiompiana anaty rano eto Madagasikara Hisy lalŕna hifehy amin’izay


  • Alatsinainy 09 Martsa 2015

Tsy ampy ary tsy lavorary ireo fandraisana andraikitry ny fanjakana Malagasy manoloana ny lalŕna iraisam-pirenena sy ny rafitra politika momba ny fitantanana maharitra ny jono sy ny fiompiana anaty rano, araka ny fanadihadiana lalina

 

notanterahana tamin’ny taona 2014 nandritra ny atrikasam-pirenena fankatoavana ny volavolan-dalàna ho an’ity sehatra ity. Nangataka tohana avy amin’ny sampanasan’ny Firenena mikambana misahana ny Sakafo ho fanatsarana ny famaranana ny fandrafetana azy ity noho izany ny minisiteran’ny Jono sy ny harena an-dranomasina. Mifototra amin’ny fanangonan-kevitra avy amin’ireo manampahaizana sy teknisianina Malagasy sy vahiny eo amin’ny lafiny lalàna hifandrimbona amin’ny minisitera mpiahy ny asa sahanin’ny FAO izay nanomboka ny 27 febroary 2015 teo. Hiroso amin’ny fankatoavana io volavolan-dalàna lasitra io moa ny birao mikirakira ny lalàn’ny FAO amin’ny volana jona farafahatarany. Malalaka amin’ny fanekena na tsia io lalàna hifehy ny Jono sy ny fiompiana anaty rano aorian’izany ny fanjakana Malagasy.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT