Mbola ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taonany ny Televiziona Malagasy (TVM) amin’izao fotoana.
Kasaina hitety faritra ny fankalazana azy io, rehefa nosantarina tao Toliara ny sabotsy 16 desambra lasa iny. Nipoapoaka mihitsy ny fanamarihana tany, tsara mpanohana rahateo ny hetsika. Anisan’ny nanome tanana izao ny Toliara Sands, izay orinasa mpitrandraka fasimainty amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny. Nalefa nivantana tamin’ny TVM ny lanonana tany, sady nampisehoana ny fisantaran’ity tanànan’ny masoandro ity ny TNT (Télévision Numérique Terrestre) ihany koa. Taorian’i Nosy-Be mantsy dia i Toliara no tanàna faharoa misitraka io TNT io. Nisy fizarana maimaimpoana “décodeur” niisa 200 nanamarihana izany tany an-toerana. Nitarika ny delegasionim-panjakana nanome voninahitra ny lanonana tany Toliara ny filohan’ny Repoblika, Hery Rajaonarimampianina. Herinandro taorian’io, nitohy teo Anosy misy ny foiben’ny TVM amin’izao fotoana ny fankalazana ny jobily volamena sady ivony rahateo, satria ny 24 desambra (1967-2017) no nitokanana ny fiaingan’ny sary voalohany teo Antaninarenina nisy ny foiben’ny TVM tamin’izany fotoana, faha-Repoblika Voalohany. Natao ny zoma 22 desambra moa ny fandraketana an-tsary ny lanonana. Fandaharam-potoana efa voalahatra mialoha io, mba halefa ny ampitson’io. Gaga sy talanjona anefa ny mpijery ity fahitalavi-panjakana ity, ny 24 desambra 2017 io fa tsy nisy na dia tamingana mpitondra fanjakana na mambra ny governemanta nanome voninahitra ny lanonana tetsy Anosy, eny fa hatramin’ny minisitry ny serasera sy ny filazam-baovao ary ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana, Rahajason Harry Laurent, mpiahy mivantana na ny mpiara-miasa akaiky aminy aza tsy tazana. Mbola sahirana tamin’ny fizarana akoho ho an’ny mpiasan’ny minisiterany, izay notanterahina tamin’io andro zoma io ? Sa mbola nanomana ny teny hambara ho an’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ? Sa manana olana amin’ny mpitantana ny ORTM izay misy ny TVM ? Ny lohandohan’ny HVM, izay mampiasa, koa mbola sahirana nizara vary teny amin’ny Kianja mitafo Ankorondrano io andro io, avy eo nanao rodobe tany Fanandrana - Toamasina II tany. Mety nanana ny fandaharam-potoanany manokana angamba ny mpitondra io andron’ny 24 desambra io, ka tsy nahafoy na dia minitra iray monja aza ho an’ity “Tahiry Velon’ny Malagasy” ity. Mba hafahafa no fandraisan’ny maro ny fihetsika mpitondra toy izany, fa toa manamaivana, manao ho toy ny tsy misy ity sisan’ny afo tamin’ny 2009 ity, nefa io no fehezina sy anaovan’ny antokon’ny fitondrana fidokafan-tena isanandro vaky.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.