Actualités

Jiro tapaka lava Sabôtazy fa tsy delestazy


  • Alarobia 08 Septambra 2010

Tsy manam-pitsaharana ny delestazy, saika amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Voa Antananarivo fa mahery vaika koa ny ao Toamasina. Vao ny zoma teo anefa no nitokanana ny foibe famokarana herinaratra vaovao hanampy tosika ny efa misy saingy toy ny nandatsa ilay izy satria ny andron’ny fitokanana ihany dia raikitra ny delestazy.

Tsy nisalasala ny Talem-paritry ny Jirama Toamasina nilaza, raha nanontaniana mikasika io fahatapahana herinaratra tampoka tato ho ato io fa “efa ‘sabotage’ na hasomparana tsotra izao. “Raha ny milina ato aminay mantsy tsy ahitana tsy fetezana mandritra ireny fahatapahana ireny”, hoy izy.

Anisan’ny fositra mahatonga ny fahatapahan-jiro ny halatra viraty na alluminium ataon’ireo jiolahy sy mpijirika. Ny tambajotran’ny herinaratra manodidina an’i Toamasina renivohitra no tena lasibatra, nefa efa miakatra an-tanàn-dehibe koa indrindra amin’ireo fokontany takotakona sy maizimaizina. Tato ho ato, dia tsy latsaky ny 20m isan’andro ny tariby very eo anivon’ny Jirama Toamasina. Tena hain’ireo mpangalatra mihitsy ny fomba ato mba hahatapaka ny herinaratra sy ny fe-potoana hahatafaverina izany, ka eo izy ireo no manararaotra. Nahatonga ny talem-paritra mihitsy nilaza fa “tena mahay noho ny mpiasa eto anivonay ireo mpangalatra ka tena mahavalalanina mihitsy”.
 
Tsy vitan’ny halatra tariby intsony izy ity fa mitatra amin’ny halatra ireny “barre de coupure” ireny nanomboka ny alahady teo no ho mankaty. Vita amin’ny viraty rahateo koa moa ny “barre de coupure”. Raha ny herinaratra vokarin’ny Jirama Toamasina ho an’ny mpanjifa dia mahampy sy mihoatra amin’ny tokony ho izy aza ankehitriny. Mbola niampy ilay 18MW milina napetraky ny Fu Lee notokanana ny zoma teo ao Tamatave IV. Ity halatra viraty ity no olana goavana ankehitriny mahatonga ny fahatapahana tampoka mitranga amin’ny herinaratra.
 
35 taona
Feno 35 taona ny volana oktobra izao ny orinasam-panjakana Jirama, raha nisy ny fakan’ny fanjakana sosialista notarihan’ny Capitaine de frégate Ratsiraka Didier ny taona 1975. Ny Frantsay no nitantana sy nanangana ity orinasa mpamokatra herinaratra sy rano ity tany am-piandohana, ka ny taona 1930 no nametrahana ny toby voalohany tao Bazary be izay lasa biraon’ny talem-paritry ny Jirama ankehitriny. “Compagnie des Eaux” na EEM (Eaux et Electricités de Madagascar) no anarany tamin’izay. 42 taona taty aorian’izay, ny taona 1972 dia notokanana ny Foibe famokarana herinaratra tao Tanambao Verrerie. Ny taona 1975 no nivadika no Jirama na Jiro sy Rano Malagasy ilay EEM Frantsay.
 
Ny taona 1980 no napetraka ny foibe famokarana herinaratra tao Tamatave III izay nokasaina hanaovana ilay “Investissements à Outrance” ka nananganana ny ZES na ny Zone Economique Spéciale tao Betainaomby. Ny taona 2008, fony i Patrick Ramiaramanana no ministry ny angovo no napetraka ny foibe an’ny Enelec ao Tamatave III ihany ary ity toby ao Tamatave IV an’ny Jirama vao notokanana ity. Ankoatra izany, tsy mihoatra ny 10mn na 15mn ny delestazy, fa nanomboka ny alatsinainy teo dia matetika be ny fahatapahana ary mazàna eo amin’ny manodidina ny misandratr’andro sy ny fiafaran’ny tolakandro no tena mitranga. Izay no nahatonga ny Emmo-Reg nifanome tanana amin’ny Jirama, ka sady mandamina tanàna amin’ny asan-jiolahy, no manara-maso koa ny tariby sao misy mangalatra.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT